CERC: Ankohonana Miarina

Inona ?

Vatsy ara-bola sy tantsoroka avy ami’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Ny zara-andraikitra dia manatrika ny fiofanana ny mpisitraka ary mianatra any an-tsekoly ny zaza.

Iza no misitraka ?

Ireo ankohonana voalahatra ho tena marefo indrindra tao anatin’ireo efa nisitraka vatsy ara-bola ao amin’ny kaominina (*) : Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, Toamasina renivohitra sy ny manodidina ary Fianarantsoa renivohitra sy ny manodidina.

Ankohonana vita fanamarinana, fanadihadiana isan-tokantrano ary nankatoavina ampahibemaso.

Ohatrinona ?

Lelavola 50.000 ar isam-bolana isaky ny ankohonana, mandritra ny enim-bolana. Izany hoe in-enina mandray 50.000 ar ny ankohonana iray.

Ahoana ny fomba fifantenana ireo ankohonana mpisitraka?

  1. Misy ny fanadihadiana isan-tokantrano ho fanamarinana ny mombamomba ireo ankohonana izay efa nisitraka vatsy ara-bola.
  2. Atsangana isaky ny fokontany ny Komity hanao ny fankatoavana ny lisitry ny mpisitraka ampahibemaso ahitana olom-pirenena 20 ka hatramin’ny 25 ka ny 6 amin’ireo dia mpikambana ao amin’ny Komity Mpiahy ny Mpiara-belona.

Voafetra ny vola enti-manana noho izany dia voafetra koa ny isan’ny ankohonana marefo afaka hisitraka.

(*) Fokontany tsy mbola misitraka fanampiana ara-tsosialy hafa

Isan’ny Ankohonana mpisitraka

160.000

Teti-bola

18.300.000$