TSIMBINA

Tsimbina est un programme du gouvernement malagasy afin de soutenir les populations vulnérables à faire face aux effets néfastes de l’inflation et à appuyer la scolarisation des enfants. Le programme est coordonné par le MPS, mis en œuvre par le FID et financé par la Banque mondiale.

Tsimbina accompagne les familles à progresser vers un mieux-être.

  • Les infos-clés

Coordination : Ministère de la Population et des Solidarités
Ménages bénéficiaires : 657 000 ménages

  • Les bénéficiaires

Ce sont les ménages résidant dans les zones les plus touchées par l’inflation et ayant rempli toutes les conditions requises : inscrits volontairement au niveau des fokontany, sélectionnés par les Comités de Protection Sociale (CPS) selon les critères d’éligibilité, enquêtés, classés comme vulnérables, validés par la communauté.

Le nombre de bénéficiaires est limité selon les moyens disponibles.

  • Design


* Condition : participation des bénéficiaires aux séances de sensibilisation pour les actions de développement

  • Gratuité : Aucune contribution financière ne sera demandée aux ménages lors de la mise en œuvre du programme.
  • Les demandes (conseils, plaintes… ) sont accessibles à tous. Disponible ici
  • Les ménages déjà inclus dans les programmes de longue durée (Vatsin’Ankohonana, Asa Avotra Mirindra, Mijoro, Milofo) ne pourront pas bénéficier de Tsimbina.
  • Les étapes de ciblage des ménages bénéficiaires

1. Info-sensibilisation pour l’auto-inscription des ménages ;

2. Mise en place et formation des Comités de Protection Sociale (CPS) ;

3. Etablissement de liste des ménages éligibles par les CPS*, assistés par le prestataire de ciblage ;

4. Affichage au préalable de la liste des ménages à pré-valider ;

5. Pré-validation en séance publique de la liste ;

6. Collecte des informations sur les ménages pré-validés ;

7. Classement des ménages éligibles : application du scoring PMT* par le FID ;

8. Validation communautaire de la liste des ménages bénéficiaires et de la liste d’attente ;

9. Recoupement des plaintes ;

10. Affichage des listes validées.

CPS : Le Comité de protection sociale (CPS) : les membres du CPS, au nombre maximum de sept maximum, sont élus lors de l’assemblée générale du fokontany. Le chef du fokontany dirige le comité. Les autres membres, également élus, représentent chaque secteur ou quartier et peuvent être des notables choisis pour leur notoriété et leur neutralité.

PMT : Le Proxy Means Testing (PMT) est une méthode utilisée pour évaluer le niveau de vie des ménages en se basant sur des caractéristiques faciles à observer, comme la possession de biens, le type de logement et l’éducation, afin de déterminer leur éligibilité à des programmes d’aide sociale.

Nombre de ménages bénéficiaires

657 000 ménages

Zones d’intervention

23 Régions
119 Districts

Foire aux questions

Inona ny Tsimbina ?

Tsimbina dia fandaharanasan’ny Governemanta malagasy ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo indrindra noho ny fiakaran’ny vidim-piainana ary hanohanana ny fianaran’ny ankizy.

Iza no misitraka ?

Ireo ankohonana voasokajy ho marefo indrindra, monina amin’ireo toerana ho nisy fiantraikany indrindra ny fiakaran’ny vidim-piainana ary nahafeno ny fepetra rehetra.

Ireo ho mpisitraka dia ireo nisoratra anarana, notsongain’ireo komity mpiahy ny mpiara-belona (CPS) eny anivon’ny fokontany. Nandalo fanadihadiana isan-tokantrano, sivana ary fankatoavan’ny mpiray monina.

Ankohonana tsy misitraka ireo fandaharanasa maharitra (Vatsin’ankohonana, Asa avotra mirindra, Mijoro, Milofo).

Inona avy ireo masontsinvana ho an'ny ankohonana mpisitraka?

Maro ireo masontsivana ampiasaina fa ireto ny ohatra vitsy : ny isan’ny zaza, ny asa fidiram-bola, ny entana ao an-tokantrano, ny toetry ny trano fonenana …

Maninona no tsy mahazo daholo nefa samy sahirana ?

Ireo kaominina ho nisy fiantraikany indrindra ny fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny fanadihadiana, no voafaritra ho afaka misitraka ny Tsimbina. Mbola misy koa avy eo ny fandaharana ireo fokontany sy ankohonana araka ny taham-parefoana.

Araka ny enti-manana dia efa voafaritra mialoha teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny mpamatsy vola ny isan’ny ankohonana afaka hisitraka isaky ny faritra. Voafetra ny enti-manana noho izany dia voafetra ihany koa ny ankohonana afaka hisitraka.

Ankohonana 657 000 isa ao anaty faritra 23 no misitraka ny Tsimbina.

Maninona no tsy atao mitovy daholo ny isan'ny mpisitraka isaky ny faritra ?

Ireo kaominina ho nisy fiantraikany indrindra ny fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny fanadihadiana, no voafaritra ho afaka misitraka ny Tsimbina. Mbola misy koa avy eo ny fandaharana ireo fokontany sy ankohonana araka ny taham-parefoana.

Araka ny enti-manana dia efa voafaritra mialoha teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny mpamatsy vola ny isan’ny ankohonana afaka hisitraka isaky ny faritra. Voafetra ny enti-manana noho izany dia voafetra ihany koa ny ankohonana afaka hisitraka.

Ankohonana 657 000 isa ao anaty faritra 23 no misitraka ny Tsimbina.

Maninona ao anaty Distrika iray misy kaominina mahazo sy tsy mahazo ? Maninona ao anaty kaominina iray misy fokontany mahazo sy tsy mahazo ?

Ireo kaominina ho nisy fiantraikany indrindra ny fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny fanadihadiana, no voafaritra ho afaka misitraka ny Tsimbina. Mbola misy koa avy eo ny fandaharana ireo fokontany sy ankohonana araka ny taham-parefoana.

Araka ny enti-manana dia efa voafaritra mialoha teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny mpamatsy vola ny isan’ny ankohonana afaka hisitraka isaky ny faritra. Voafetra ny enti-manana noho izany dia voafetra ihany koa ny ankohonana afaka hisitraka.

Ankohonana 657 000 isa ao anaty faritra 23 no misitraka ny Tsimbina.

Maninona ny kaominina na fokontany misy anay tsy misitraka ny Tsimbina ?

Ireo kaominina ho nisy fiantraikany indrindra ny fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny fanadihadiana, no voafaritra ho afaka misitraka ny Tsimbina. Mbola misy koa avy eo ny fandaharana ireo fokontany sy ankohonana araka ny taham-parefoana.

Araka ny enti-manana dia efa voafaritra mialoha teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny mpamatsy vola ny isan’ny ankohonana afaka hisitraka isaky ny faritra. Voafetra ny enti-manana noho izany dia voafetra ihany koa ny ankohonana afaka hisitraka.

Ankohonana 657 000 isa ao anaty faritra 23 no misitraka ny Tsimbina.

Efa nisoratra anarana izahay. Nahoana no tsy tafiditra any anaty ny lisitry ny mpisitraka ?

Ny fisoratana anarana dia tsy midika fa ho lasa mpisitraka avy hatrany ianao.

Aorian’ny fisoratana anarana dia misy ny masontsivana hampiharina, dingana, fandaharana ireo marefo indrindra ary fankatoavan’ny mpiray monina vao mety ho tafiditra amin’ny lisitry ny mpisitraka ianao.

Misy vola aloa ve ?

Tsia, maimaimpoana sy tsy andoavam-bola avokoa ireo dingana rehetra fisitrahana ny tetikasa.

Raha misy mitaky vola dia aza misalasala mametraka fitarainana eny amin’ireo komity mpiahy ny mpiara-belona na miantso ny laharana maitso.

Ahoana ny fomba hitiliana ireo faritra hanatanterahana ny fandaharasana ?

Ireo kaominina hanatanterahana ny Tsimbina dia ireo izay voalahatra ho nisy fiantraikany indrindra ny fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny masontsivana nifanarahan’ny Governemanta malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka.

Ahoana ny fomba fitiliana sy ny dingana fitsongana ireo ankohonana mpisitraka ?

Raha fintinina dia toy izao ny fomba fitiliana ireo ankohonana afaka hisitraka ny Tsimbina :

  1. Asaina misoratra anarana an-tsitrapo, eny amin’ny Komity mpiahy ny mpiara-belona (CPS) ireo ankohonana mahatsiaro ho tena marefo.
  2. Manao ny fitsongana voalohany araka ireo masontsivana ny Komity ary mamoaka lisitra voalohany ho ankatoavina eo amin’ny fivoriam-pokonolona.
  3. Atao fanadihadiana ireo ankohonana tao anatin’ny lisitra voalohany ahazoana ny antonta-kevitra momba azy (ny isan’ny zaza, ny asa fidiram-bola, ny entana ao an-tokantrano, ny toetry ny trano fonenana …).
  4. Alahatra araka ny taham-paharefoany ireo ankohonana miainga amin’ireo antontan-kevitra voarefy ara-tsiantifika, hamoahana ny lisitr’ireo izay marefo indrindra mifanaraka amin’ny isa voafaritra.
  5. Entina ankatoavina eo amin’ny fivoariam-pokonolona ny lisitra farany ary avoaka amin’ny peta-drindrina.

Toy ny ahoana ny fomba fanatanterahana ny fandaharanasa ?

  1. Manatrika ireo fanentanana sy hetsika fampivoarana ny solontenan’ny ankohonana mpisitraka.
  2. Fepetra andraisana ny vatsy ny fanatrehana ireo fanentanana ireo.
  3. Mandray vatsy ara-bola voalohany (100.000 ariary) sy faharoa (150.000 ariary).

Hafiriana no hanatanterahana ny fandaharanasa

Manomboka ny volana jona 2024 izao ny fandovam-bola voalohany ary hifarana rehefa vita ny fandoavam-bola faharoa.

Inona avy ireo hetsika fampivoarana hanentanana ireo ankohonana mpisitraka ?

Fanentanana : fanatsarana ny fiainan’ireo ankohonana, ny asa fampidiram-bola, ny fampianarana ny ankizy ary ny fanjarian-tsakafo.
Fepetra handraisana ny vatsy ny fanatrehana ny fanentanana.

Inona avy no anjara asan'ny Ministeran'ny mponina sy ny firaisan-kina (MPS) ary ny FID ?

Ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisan-kina (MPS) no mandrindra sy manao ny fanaraha-maso ny asa.

Ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) kosa no manatanteraka miaraka amin’ireo rafitra samihafa.

Iza avy ireo mpiara-miasa ara-bola sy ara-teknika amin'ny fandaharanasa ?

Ny Banky iraisam-pirenena no mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny Tsimbina.

Iza avy no mandrafitra ny komity mpiahy ny mpiara-belona sy ny anjara asany ?

Ny mpikambana ao amin’ny Komity mpiahy ny mpiara-belona (CPS) dia voafidy mandritra ny fivoriam-pokonolona voalohany.
Tsy mihoatra ny fito ny mpikambana ao aminy, ahitana ny lehiben’ny fokontany, ny mpisolo tena ny secteur na quartier.
Izy ireo no heverina fa mahafantatra tsara ny mpiray monina.

Maninona ireo olona efa hitanay nahazo fanampiana teo aloha ihany no mbola mahazo ?

Eny, na dia efa nisitraka ireo fandaharanasa « vonjy voina » teo aloha tantanan’ny FID hafa aza izy ireo ka nisoratra anarana, voasokajy ho isan’ny marefo indrindra ary nahafeno fepetra dia eken’ny fandaharanasa ny fisitrahany.
Voafetra araka ny enti-manana ihany koa anefa ny isan’ny ho mpisitraka.

Ahoana ny momba anay, tsy mbola nisitraka na inona na inona mihitsy izahay nefa mbola tsy misitraka foana ?

Marina tokoa, mety ho samy marefo daholo kanefa araka ny fikajiana sy fandaharana dia ireo izay tena marefo indrindra ihany no afaka misitraka hatreto ary izany dia voafetran’ny enti-manana.
Voafetra ny enti-manana araka izany dia voafetra ihany koa ny isan’ny ho mpisitraka.

Maninona izahay mahita olona toa manana ny ampy na mpiasa-mpanjakana tafiditra ao anaty lisitra ?

Raha sanatria misy izany dia fahadisoana teo amin’ny fitiliana na tsy filazana ny marina avy amin’ilay olona nisoratra anarana.
Misaotra anareo avy hatrany mampahafantatra ny momba azy ireo amin’ny alalan’ny fisy fitarainana ka hatao ny fanadihadiana ary ho raisina ny fepetra.

Izay efa misitraka Vatsin'ankohonana na fandaharanasa hafa ve mbola afaka misitraka Tsimbina

Tsia. Izay misitraka Vatsin’Ankohonana na Asa Avotra Mirindra na Vonjy Voina mandeha amin’izao fotoana izao dia tsy afaka misitraka ny Tsimbina

Tsy nahatratra ny fotoana fisoratana anarana izahay, nefa izahay tena sahirana, inona no tokony ataonay ?

Efa voafaritra mialoha ny lamina sy fe-potoana fisoratana anarana ary tsy afaka sokafana intsony.
Araho hatrany ny fampitam-baovao eny amin’ny fokontany misy anao mikasika ireo fandaharanasa hafa.

Efa nametraka fitarainana izahay fa mbola tsy tafiditra ao anatin'ny fandaharasana foana ?

Ho dinihina ny fitarainana napetrakao ary tsy maintsy ahazoana valiny an-tsoratra araky ny rariny sy hitsiny.
Ny fanaovana fitarainana dia tsy midika fa lasa ho mpisitraka ianao.

Rahoviana no hivaly ny fitarainana napetrakay ?

Ho valiana arak’izay haingana indrindra ny fitarainana sy fangatahana. Raha ilàna fanadihadihana ifotony dia mety ho 60 andro fara faha elany.

Raha mahita tsy rariny na mahatsiaro ho voahilika inona no tokony atao ?

Misokatra ho an’ny rehetra ny filan-kevitra (torolàlana, fitarainana …). Afaka miantso ireo laharana maitso (tsy andovam-bola) na mameno ny fisy natokana ho an’izany eo an’ivon’ny Komity mpiahy ny mpiara-belona ianao. Sahia miteny sy mijoro.