CERC: Ankohonana Miatrika

Inona ?

Vatsy ara-bola sy tantsoroka avy ami’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Ny zara-andraikitra dia manatrika ny fiofanana ny mpisitraka.

Iza no misitraka ?

Ireo ankohonana nisoratra anarana ka voalahatra ho marefo indrindra araka ny fanambarana nataony, ny fanamarinana ary ny fankatoavana ampahibemaso.

Ohatrinona ?

Lelavola 50.000 ariary isam-bolana, isan-tokantrano, mandritra ny dimy volana. Izany hoe in-dimy mandray 50.000 ariary ny ankohonana iray

Faritra aiza ?

Ireo fokontany(*) tratry ny fihibohana ary voafaritra ho marefo indrindra araka ny fanambarana ataon’ny Ministeran’ny Mponina (MPPSPF) sy ny BNGRC.

Fisoratana anarana sy fandraisana ny vola

Holazaina eny an’ivon’ny fokontany ny toerana sy fotoana fisoratana anarana ary ny fandraisana ny vola. Ilaina ny kara-panondro sy ny kara-pokontany

Voafetra ny vola enti-manana noho izany dia voafetra koa ny isan’ny ankohonana marefo afaka hisitraka.

(*) Fokontany tsy mbola misitraka fanampiana ara-tsosialy hafa

Isan’ny Ankohonana mpisitraka

83 700

Teti-bola

7 200 000 USD

Zones d'intervention