CERC: Asa Avotra

Inona ?

Asa atakalo vola sy tantsoroka avy amin’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Iza no misitraka ?

Ireo ankohonana nisoratra anarana an-tsitrapo ka voalahatra ho marefo indrindra araka ny fanambarana nataony, ny fanamarinana ary ny fankatoavana ampahibemaso.

Ankohonana ao amin’ny kaominina (*) : Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, Tomasina renivohitra sy ny manodidina ary Fianarantsoa renivohitra sy ny manodidina.

Ohatrinona ?

Vola 5.000 ar isaky ny andro iasana isaky ny ankohonanaAsa mandritra ny 20 andro.

Ahoana ny fomba fifantenana ireo ankohonana mpisitraka ?

  1. Misoratra anarana an-tsitrapo ireo ankohonana vonona hanao ny Asa avotra.
  2. Ireo izay voalahatra ho marefo indrindra taorian’ny fanadihadiana isan-tokantrano sy ny fankatoavana ampahibemaso nataon’ny Komity manao ny fankatoavana no voaray ho isan’ny mpisitraka.

Voafetra ny vola enti-manana noho izany dia voafetra koa ny isan’ny ankohonana marefo afaka hisitraka.

(*) Fokontany tsy mbola misitraka fanampiana ara-tsosialy hafa

Isan’ny Ankohonana mpisitraka

55.000

Teti-bola

2.600.000$

News