Histoire de succès : RAZAFINIRINA Noro, Tosika arahin’ezaka, apinga iray ialàna amin’ny fahantrana

Histoire de succès : RAZAFINIRINA Noro, Tosika arahin’ezaka, apinga iray ialàna amin’ny fahantrana

août 3, 2018 Non Par cscomm1

Noro

Renim-pianakaviana isan’ny mpikambana ao amin’ny VOAMAMI Volatantely (Vondron’Olona An-toerana miara-MAnao tahiry sy MIfampindram-bola) ao Isorana i Noromanjara. 28 taona izao ny tovovavy ary 4 ny zanany. Ny fanjairana peta-kofehy toy ny lambam-pandriana sy ondana no asa fiveloman’izy mianakavy kely, ifanampiany amin’ny asam-pambolena voanjobory ataon’ny vadiny. Mpisitraka ny Asa Avotra Mirindra ao amin’ny tontolo fivelomana Sabotsy ao Isandra ity fianakaviana ity ary nandalo andro sarotra talohan’ny nisian’ny tetikasa. « Tena nanahirana anay mivady ny mitady ny hanin-kohanina isan’andro, ny fianaran’ny ankizy tsy zarizary, tena sahirana e! Ny ahy ny fitaovana entina miasa no tena tsy ampy, ny andrangahy indray ny enti-manana ividianana masomboly. Na ny tokatrano aza mikorotan-dava» hoy i Noro mitantara arahin-tsento kely.

Nanomboka ny tetikasa…

Tamin’ny fiandohan’ny taona 2017 ary dia isan’ireo voaray ho mpisitraka ny tetikasa Asa Avotra Mirindra ity fianakaviana kely ity. 3 000Ar isan’andro ny vola noraisana tamin’ny andian’ny voalohany nandritra ny 40 andro tamin’izany, nefa nahapirina 20 000 ariary i Noro. Rehefa nandeha ny andiana faharoa sy fahatelo ka niakatra ho 4 000Ar ny karama dia nihanitombo ihany koa ny vola voaangona. «Amin’ny maha mpikambana ny Voamamy ahy dia efa nampianarina anay tsara ny fahaizana mitantana. Nampihariko araka izay tratra izany, ny vadiko koa manatsara hatrany ny fambolena araka ny fiofanana izay azonay nandritra ny sehatra fanatsarana famokarana omen’ny FID » hoy i Noro. Tamin’ny volana aprily lasa teo, dia tapa-kevitra izy mivady fa hampiasa ny vola voaangona. Natao ny kajikajy dia eo amin’ny 60 000Ar ny fitambaran’ny vola rehetra ankoatry ny efa nividianana masom-boly kely. Mba hampitomboana ny lamba ampiasain’i Noro sy hividianany ireo fitaovana tsy ampy dia nindram-bola 50 000Ar tao amin’ny VOAMAMI nisy azy izy. «Tsy dia olana loatra tamiko ny nanapa-kevitra nindram-bola tamin’ny VOAMAMI satria ny asako mandeha tsara rehefa tena ampy ny fitaovana. Ny tombony mantsy dia izaho irery eto an-tanàna no manao azy ity. Tsy ananako tori-maso mihitsy indraindray mba hanomezako fahafaham-po ny mpanjifa ny asa-tanako » hoy i Noro sady miresaka no mavitribitrika ery manohy ny zaitra ataony. Raha ny fitantarany ihany, ankehitriny dia efa mitombo ny vola miditra ao antokatranony, noho izany dia misakafo ara-dàlana koa ny ankizy. Ny hany fanantenan’izy mivady manaraka ary andrasany fatratra dia ny mba hitomboan’ny vokatra eny antsaha amin’ny fampiasana ny teknika vaovao efa nampianarina azy ireo. « Ankehitriny mba miaina toy ny olon-drehetra izahay ary manantena fa mba hihatsara hatrany. Izahay mivady koa vao mainka mihamifanakaiky hatrany » hoy i Noro namarana ny resany velon-tsiky.