Mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola | ![]() |
![]() |
![]() Fandaharanasan’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, iatrehana ny voina, hanarenana ny fiainan’ny mpiara-belona ho amin’ny fampandrosoana. |

![]() |
Inona ?
Vatsy ara-bola sy tantsoroka avy ami’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Iza no misitraka ? Ireo ankohonana nisoratra anarana ka voalahatra ho marefo indrindra araka ny fanambarana nataony, ny fanamarinana ary ny fankatoavana ampahibemaso. Ohatrinona ? Lelavola 50.000 ariary isam-bolana, isan-tokantrano, mandritra ny dimy volana. Izany hoe in-dimy mandray 50.000 ariary ny ankohonana iray Faritra aiza ? Ireo fokontany(*) tratry ny fihibohana ary voafaritra ho marefo indrindra araka ny fanambarana ataon’ny Ministeran’ny Mponina (MPPSPF) sy ny BNGRC. Fisoratana anarana sy fandraisana ny vola Holazaina eny an’ivon’ny fokontany ny toerana sy fotoana fisoratana anarana ary ny fandraisana ny vola. Ilaina ny kara-panondro sy ny kara-pokontany Voafetra ny vola enti-manana noho izany dia voafetra koa ny isan’ny ankohonana marefo afaka hisitraka. (*) Fokontany tsy mbola misitraka fanampiana ara-tsosialy hafa |

![]() ![]() ![]() |
Inona ?
Vatsy ara-bola sy tantsoroka avy ami’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Ny zara-andraikitra dia manatrika ny fiofanana ny mpisitraka ary mianatra any an-tsekoly ny zaza. Iza no misitraka ? Ireo ankohonana voalahatra ho tena marefo indrindra tao anatin’ireo efa nisitraka vatsy ara-bola ao amin’ny kaominina (*) : Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, Toamasina renivohitra sy ny manodidina ary Fianarantsoa renivohitra sy ny manodidina. Ankohonana vita fanamarinana, fanadihadiana isan-tokantrano ary nankatoavina ampahibemaso. Ohatrinona Lelavola 50.000 ar isam-bolana isaky ny ankohonana, mandritra ny enim-bolana. Izany hoe in-enina mandray 50.000 ar ny ankohonana iray. Ahoana ny fomba fifantenana ireo ankohonana mpisitraka?
Voafetra ny vola enti-manana noho izany dia voafetra koa ny isan’ny ankohonana marefo afaka hisitraka. (*) Fokontany tsy mbola misitraka fanampiana ara-tsosialy hafa |

![]() ![]() ![]() |
Inona ?
Asa atakalo vola sy tantsoroka avy amin’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Iza no misitraka ? Ireo ankohonana nisoratra anarana an-tsitrapo ka voalahatra ho marefo indrindra araka ny Ankohonana ao amin’ny kaominina (*) : Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, Tomasina renivohitra sy ny manodidina ary Fianarantsoa renivohitra sy ny manodidina. Ohatrinona Vola 5.000 ar isaky ny andro iasana isaky ny ankohonana. Asa mandritra ny 20 andro. Ahoana ny fomba fifantenana ireo ankohonana mpisitraka ?
Voafetra ny vola enti-manana noho izany dia voafetra koa ny isan’ny ankohonana marefo afaka hisitraka. (*) Fokontany tsy mbola misitraka fanampiana ara-tsosialy hafa |

![]() ![]() ![]() |
Inona ?
Vatsy ara-bola entina iatrehana ny haintany avy amin’ny Governemanta malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Iza no misitraka ? Ireo ankohonana any amin’ny faritra Atsimo(*), tratry ny haintany ary voafaritra ho marefo araka ny fanambaran’ny Ministeran’ny mponina (MPPSPF) sy ny BNGRC. fankatoavan’ny fiaraha-monina. Ohatrinona Lelavola 80.000 ariary isam-bolana, isaky ny ankohonana, mandritra ny 5 volana. Fisoratana anarana sy fandraisana ny vola Holazaina eny anivon’ny fokontany, ny toerana sy fotoana fisoratana anarana sy fandraisana ny vola, aorian’ny fandalovan’ny voina sy ny fanambarana ataon’ny Ministeran’ny mponina (MPPSPF) sy ny BNGRC. Voafetra ny vola enti-manana noho izany dia voafetra koa ny isan’ny ankohonana marefo afaka hisitraka.
|